Antananarivo
Avy amin'i Wikipedia
Antananarivo, renivohitr' i Madagasikara : "Tanànan'ny arivolahy".
Teny filamatra | "Ny arivolahy tsy maty indray andro" |
Mponina | ca. 1,5 Mio (2005) |
Toerana ara-jeografia | 18°56' atsimo 47°31' atsinanana |
Tena eo anivon'ny Nosy no misy ny faritanin'Antananarivo izay midadasika amin'ny velarantany 58.283 km2.
Ny tanànan'Antananarivo renivohitra kosa dia eo amin'ny 1254 m ny hahavony mihoatra amin'ny ranomasina (araben'ny fahaleovantena) ; 1282 m (Lapan'Andafiavaratra) , 1468 m (Rovan'i Manjakamiadana).
Votoatiny |
[Ovay] Sary
[Ovay] Jeografia
Azo lazaina ho ranoray ny firafitry ny vohon-taniny raha miohatra amin'ireo faritany sasany toa an'i Fianarantsoa na Toamasina.
Any avaratra, misy an'i Tamponketsa dia tany karankaina ; zara raha mahavokatra kely horaofin'ny biby fiompy ny any Bongolava any andrefana. Ny any atsimo no manankarena, izay ahitana ny onin'i Mania. Any atsinanana kosa dia voafaritr'ireo harambato mitatao ny lemak'i Moramanga sy Anjiro amin'ny lafiny iray ary ny debok'Alaotra amin'ny ankilany.
Ny salan'ny haavon'ny tendrombohitra dia 1300 m, fa ny avo indrindra dia Tsiafajavona, 2700m, ao amin'ny vondron-tendrombohitr'Ankaratra.
Maro ireo ony miandoha avy any Itasy sy Vakinankaratra no miantoka ny famatsian-drano ireo faritra manodidina.
Ny fiandohan'ny onin'i Mahajamba dia avy ao Anjozorobe ; Betsiboka avy ao Ambohidratrimo ; Ikopa sy Sisaony avy any Ankaratra ; Isandrano avy any Miarinarivo ; Manambolo avy any Tsiroanomandidy ; Sakay sy Lily avy any Itasy, Kitsamby avy any Arivonimamo ary Onive avy any Antsirabe.
[Ovay] Toe-tany
[Ovay] Mponina
Merina no iantsoana ireo tompon-tany fa noho ny maha-renivohitra azy dia hita ao daholo ireo foko isan-karazany ao Madagasikara.