Helodrano persika
Avy amin'i Wikipedia
Ny helodrano persika dia helodrano ao amin'ny ranomasimbe indiana mihazo ny morontsirak'i Oman, ny Emirà Arabo mitambatra, Arabia Saodita, Katar, Baraina, Koety, Iraka ary Iran.
Tokony ho 233.000 km2 eo ho eo ny velarany, 800 km ny halavany ary 80 ka hatramin'ny 120 km eo ho eo ny sakany. Any amin'ny farany andrefany ny vinany ivarinan'ny ony Arvandrud (na Shatt al-'Arab), izay fifanenan'ny ony Tigra sy Efrata.
Ao andrefana kosa no misy ny hetin'i Hormuza izay mampifandray ny helodrano Persika amin'ny helodranon'i Oman, ary avy eo ny ranomasimbe.