Avy amin'i Wikipedia
United States of America (Fivondronan'ny Faritany Amerikana) |
 |
 |
saina |
faneva |
|
Nationaly information |
Teny Filamatra: |
In God we trust (Andriamanitra no itokian-tsika) |
Hiram-pirenena:
(hira) |
The Star-Spangled Banner (Ilay saina miloko kintana) |
|
Momban'ny Olona |
|
Jeografy / Toerana |
Here is the country on a map of the world. |
Renivohitra: |
Washington D.C. |
Tanana lehibe indrindra: |
|
Velarantany |
- Manontolo: 9,7 Tapitrisa
(laharana faha #4)
- Rano: km² (4.87%)
|
|
Politika / Governementa |
Established: |
4 Jolay 1776 |
Karazana fitondrana: |
federaly |
Anaran'ny Mpitondra: |
filoha |
Anaran'ny Mpitondra: |
filoha lefitra |
Filoham-pirenena: |
George W Bush |
|
Toe-karena / Vola |
Sandam-bola:
(Anaran'ny vola) |
USD ($) |
|
Iraisam-pirenena information |
Faritra ora: |
UTC -5 -6 -7 -8 -9 -10 |
Antso an-tariby (dialing code): |
+1 |
Faritra Internet domain: |
|
|
Ny Etazonia dia firenena any Amerika Avaratra izay mizara ho faritra mizakatena (state) dimampolo, distrika federaly iray ary, faritra ivelany (territory) 14. Ny firenena Kanada no manamorona azy ao avaratra, Meksika kosa avy atsy atsimo. Ny ranomasina Atlantika sy Pasifika no sisin-taniny atsinanana sy andrefana. Ny faritra iray izay atao hoe Alaska dia any avaratr'i Kanada no misy azy ary ny andian'nosy Hawaii dia any amin'ny ranomasina Pasifika.
9,7 tapitrisa kilaometatra toradroa ny fivelarantany misy azy, ary faha-efatra eran-tany izy amin'ny fivelaran-tany sy ny isan'ny mponina monina ao aminy. Izy no firenena manana toe-karena matanjaka indrindra eran-tany.
[Ovay] Fanomboan'ny Tantarany (1776-1917)
Saika mpiavy ny olona rehetra ao aminy, na ny teratany aza. Ny zanatany Anglisy 13 izay niforona teo amin'ny sisn-dranomasina Atlantika ary nanambara ny fahaleovan-tenany tamin'ny 4 Jolay 1776 no lasa Etazonia amin'izao fotoana izao. Nanomboka teo dia nihitatra nankany andrefana ny sisin-tany ka resy tosika ireo foko isan-karazany izay nonina tao talohan'ny eoropeana. Toa izao ny fivoaran'ny fahazoany ny tany[1]:
- 1798 dia teo am-pelatanan'ny Amerikana ny faritra atsinanan'ny renirano Mississippi manontolo.
- 1803 dia novidiny avy tamin'ny Frantsay ny faritra lemaka andrefan'ny Mississippi.
- 1818 notapahina niaraka tamin'ny Anglisy ny tokony ho sisintany avaratra
- 1819 nanome tany vitsy any Louisiana sy Colorado Espana izay resy an'ady
- 1845 nahaleo tena tamin'ny Meksika ny Texas ka nivondrona tamin'ny Etazonia
- 1846 nomen'ny Anglisy ny faritra Oregon
- 1848 nomen'ny Meksika izay resy an'ady ny faritra misy ny Kalifornia ankehitriny
- 1853 novidina tamin'ny Meksika ny faritra atsimon'i Arizona
- 1857 novidina tamin'ny Rosia ny Alaska
- 1898 nozanahina ny nosy Hawaii
- 1898 nomen'ny Espana izay resy an'ady ny nosy Porto-Rico
- 1917 novidina tamin'ny Danimarka ny nosy Virgin Islands sy ireo nosy madinika manodidina azy.
[Ovay] Lasa Firenena Matanjaka (1914-1945)
Taorian'ny Ady Lehibe Voalohany 1914-1918 vao azo lazaina hoe firenena anisan'ny matanjaka eran'izao tontolo izao ny Etazonia. Niharan'ny fahantrana mafy anefa izy taorian'ny taona 1929. Tsy nitsahatra izany raha tsy tapitra ny Ady Lehibe Faharoa (1945). Ka nanomboka ny Ady Mangatsiaka niaraka tamin'ny Fanjakana Sovietika.
[Ovay] Ny Ady Mangatsiaka (1945-1991)
[Ovay] Firenena Matanjaka tsy Manampaharoa (1991- ankehitriny)
Rehefa nirava ny Fanjakana Sovietika 1991 dia lasa ny Etazonia irery no firenena matanjaka eran'izao tontolo izao. Hita izany amin'ny alalan'ny herisetra izay azony atao ka tsy mila miera amin'ny Firenena Mikambana izy. Ankehitriny dia ny mandamintany any Iraka sy Afganistana ary ny fiadiana amin'ny mpampihorohoro silamo no zavadehibe aminy.